Vaovao songadina avy any amin’ny faritra Sofia, Betsiboka ary Itasy

👉SOFIA: Manodidina ny 180 ireo fitaovam-pandanjana sy fandrefesana voatsirika sy nanaovana fanamarinana tany amin’ny Distrikan’i Befandriana avaratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny ekipan’ny DRIC ekipan’ny DRIC Sofia ny 07 ka hatramin’ny 11 Oktobra 2024. Hita fa efa samy manaja ny fenitry ny lanja sy refy ny mpandraharaha na misy aza ireo vitsy izay minia mangalatra sy manao ampitaka. Nanarina ireto farany tsy hamerina intsony.

👉BETSIBOKA: Ny kaominina Antanimbary sy ny kaominina Berivotra 5X5 no nanatanterahan’ny DRIC Betsiboka ny asa fanentanana fanaony ny 08 sy 09 Oktobra 2024. Tao Antanimbary dia nomena toromarika ireo mpanangom-bokatra, indrindra fa ny mpanangom-bary mba hijery dieny izao sahady ny tahiry hiatrehana ny maitso ahitra ary tsy ampiakatra ny vidim-bary tsy amin’antony. Nentanina hiasa anatin’ny fanarahan-dalàna kosa ireo mpanangom-bokatra ao Berivotra 5X5 izay kaominina mahavokatra betsaka sy mamatsy ny Renivohitry ny faritra.

👉ITASY: Nofaninana hahay manao Drafitr’asa fandraharahana (Business plan) ireo mpanao asa tanana fatana mitsitsy 3M+ miisa 14 mianadahy ny 08 ka hatramin’ny 11 Oktobra 2024. Manomboka eto dia misokatra ho azy ireo ny varavaran’ny famatsiam-bola satria anisan’ny takian’ny mpamatsy vola ny Business plan ary raha izy io no tsy tsara rafitra dia kely ny fanantenana hahazoana famatsiana. Velom-bolo ny mpiofana satria hahafahany miroso bebe kokoa amin’ny sehatra matihanina sy hampiroborobo ny seha-pihariany izany. Fiaraha-miasan’ny DRIC sy ny Tetikasa DIABE.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...