Varotra ivelany

varotra_ivelany

Manatsara ny fidirana eo amin’ny tsena Eoropeana sy isam-paritra ary manatsara ny fifaninanana eo amin’ny rojom-piharian’ny fanondranana ny Tetikasa PADEIR
Manohana sy manampy ny sehatra tsy miankina mba ahafahan’izy ireo mampitombo ny vokatra aondrana any ivelany ny Fandaharanasa fanohanana ny fampandrosoana ny fanondranana sy ny fampidirana isam-paritra (PADEIR). Tetsy amin’ny toeram-pivorian’ny MIC Anosy no nanaovana tomban’ezaky ny asa efa natao tao anatin’ny fandaharanasa, ny sakana nosedraina ka nandraisana ireo soso-kevitra handrosoana haingana amin’izay ho tohin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa.
Nandray anjara tamin’ity fihaonana omaly Alakamisy 23 mey 2024 ity ny komity mpandrindra ny fandaharanasa izay ahitana ny solontenan’ny Vondrona Eoropeana, ny solontenan’ny Sehatra tsy miankina ary ny solontenan’ireo minisitera samihafa misitraka io tetikasa io.
Misitraka ny fanampiana avy amin’ny Fandaharanasa PADEIR ny MIC amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Ivelany (DCE). Maro ny asa efa natomboka sy vita. Manohana ny MIC eo amin’ny fanalana ireo sakana eo amin’ny sehatry ny fanondranana, manampy amin’ny fampitaovana ny laboratoaran’ny Sampan-draharaha misahana ny kalitao sy ny fikirakirana ny vokatra (SQC) eto Antananarivo sy any amin’ny faritra, manohana eo amin’ny fanamafisana traikefa sy ny fanatsarana ny fenitra ara-barotra ary manohana ny famolavolana ny politika ara-barotr’i Madagasikara ahafahana manolotra izany eo anivon’ny Vondrona maneran-tany momba ny varotra (OMC).

Vous aimerez aussi...