09 Desambra 2020, fankalazana ny andro natokana ho an’ny fifaninanana andiany fahatelo nokarakarain’ny Filan-kevitry ny fifaninanana sy ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana ary ny Fahefana Nasionaly mikasika ny Fanitsiana ara-barotra
Tetsy amin’ny Carlton Anosy no nanamarihana ity fankalazana ity. Nampahafantarina nandritra izany ireo fandikan-dalàna sy ireo sary lifanaraka aminy. Ny lohahevitra nitarihana ny fifanakalozan-kevitra dia ny hoe “Ndao isika hiady amin’ireo fomba manoitra ny fifaninanana ho fampandrosoana ny tao-java-baventy ifotony”. Nanatanteraka famelabelarana avokoa ireo rafitra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana voakasik’ity hetsika ity araka ny Velirano napetraky ny Filoham-pirenena , fampiroboroboana ny indostria sy ny famokarana eto an-toerana ny filàna fototry ny mponina. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny MICA ihany koa izay mikendry ny hametraka tao-java-baventy iray farafahakeliny isaky ny distrika. Ny fisian’ny fifaninanana madio sy mendrika ary manara-dalàna dia mitarika any amin’ny fampandrosoan’ny indostria isam-paritra. Ny MICA dia miezaka hatrany mametraka rafitra entina mampiroborobo ny tao-java-baventy eto an-toerana toy ny fametrahana ny faritra fisandratan’ny tao-java-baventy (zone d’émergence industrielle) sy ny fametrahana indostria isaky ny faritra (ODOF). Miezaka ihany koa ny minisitera manaraka akaiky ny fivoaran’ny fifaninanana eto an-toerana hitondra tombotsoa ho an’ny mpisehatra voakasika rehetra amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny fifaninanana ao anatin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny (DCI).