Varotra sy fanjifana: apetraka amin’ny toerany ny fanaraha-maso ny fanafarana sakafo avy any ivelany.

Natevenina ny traikefan’ireo mpanara-maso eo anivon’ny Minisitera isan-tsokajiny izay manana andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fanafarana sakafo ho eto Madagasikara. Ho an’ireo sakafo izay voasokajy fa saro-pady kokoa ho an’ny mpanjifa dia hamafisina ny fanaraha-maso azy ireny alohan’ny hamarotana azy eny an-tsena.

Nisy ny atrik’asa fiofanana momba izany izay notanterahina tao amin’ny Carlton Anosy ny 16 ka hatramin’ny 20 Oktobra 2023. Nandray anjara tamin’izany ny avy ao amin’ny DPC (Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa) sy ny avy ao amin’ny SQC (Sampan-draharaha misahana ny Kalitao sy ny Fikirakirana ny vokatra) eto anivon’ny MICC.
Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa fanamorana ny varotra iarahana amin’ny vondrona COMESA izay vatsian’ny FAO ity atrik’asa ity. Nazaho tombony tamin’ny fampiofanana ihany koa ireo mpanafatra sakafo satria nisy ny fanomezam-pahalalana sy fanentanana azy ireo mahakasika ny fomba fanao ahitam-bokatra tsara eo amin’ny fanafarana entana avy any ivelany.
Sary DPC sy SQC

Vous aimerez aussi...