Varotra sy fanjifana: ranom-boankazo mitentina 30 tapitrisa Ariary tsy maintsy nopotehina

Simba teny ambony sambo noho ny fifanindrian’ny entana fa tsy mbola lany daty akory ary mbola tsy namidy teny an-tsena ihany koa ireo ranom-boankazo ireo. Mitentina 6222 Euros izy rehetra. Ny orinasa mpanafatra ihany no nampahafantatra ny teo anivon’ny DPC ny fisiany sy nangataka ny hamotehana izany entana simba izany.
Nanatanteraka ny fandorana ny entana teny amin’ny Fokontany Antanetibe Kianja, kaominina Ambohimangakely ny teo anivon’ny DPC ny 05 Septambra 2023 lasa teo.
Midika izany fa mipetraka hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpandraharaha sy ny Minisitera amin’ny fiantohana ny mpanjifa ka entana ara-pahasalamana sy manara-penitra hatrany no tokony atolotra ny mpanjifa.
Sary DPC

Vous aimerez aussi...