Vidim-bary eny ifotony

Midina ny vidim-bary ao amin’ny Kaominina Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo satria manomboka mitobaka ny vary ao an-toerana.

« Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fararano izao ny any amin’ny faritra Mahitsy, efa mitobaka ny vary ary efa misy ny fidinam-bidy isan’andro. Fotoana fiakaran’ny voka-bary rehetra avy any ambanivohitra toy ny Ankazobe, Firavahana izao. 1680 ariary ny vidin’ny iray kilao amin’ny vary akotry, ny fotsim-bary kosa dia 2680 ariary ny iray kilao » hoy ny mpanangom-bokatra iray tao Mahitsy, RAHANITRINIANA Lalao Charline.
Efa hiditra fararano daholo ny faritra rehetra aoriana kely ao. Hidina isan’andro ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fampandrosoana ny Indostria sy ny Varotra (DRIC) hanamarina ny vidim-bary eto amin’ny faritra Analamanga. Nanamarika ny DRIC Analamanga fa ankoatra ny vary dia efa mari-toerana ihany koa ny menaka sy ny lafarina eny an-tsena amin’izao fotoana izao.
Manampy amin’izany fivoaran’ny vidin’entana izany ny fisian’ireo orinasa mpamokatra avy amin’ny tetikasa ODOF napetraky ny Minisitera eny anivon’ny faritra izay manampy ny famatsiana ny mponina.
Miezaka hatrany ny eto anivon’ny MIC midina ifotony amin’ny alalan’ireo mpanara-maso sy kaomiseran’ny varotra mijery ireo tsy manara-dalàna sy manararaotra ara-barotra ary koa manaraka akaiky ny famatsiana ny mponina isam-paritra.

Vous aimerez aussi...