Voly fanondrana: miomana amin’ny fidirana amin’ny taom-piotazana jirofo ny any Atsimo Atsinanana

Manohy ny fijerena akaiky ny kalitaon’ny vokatra jirofo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Atsimo Atsinanana amin’izao ankatoky ny fisokafan’ny taom-piotazana izao.

Nidina tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano izay mamokatra jirofo betsaka indriandra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana izy ireo tamin’iny herinandro lasa iny. Sady nanao ny asa fampanarahan-dalàna toy ny fanomezana fankatoavana ny fitehirizam-bokatra (Agrément des magasins) sy fanamarinana ny fitaovam-pandanjana (Vignette balance) ampiasain’ireo mpanangom-bokatra ny mpanara-maso tamin’izany. Nentanina koa ireo izay mbola tsy nahavita izany mba hanatona ny DRICC Atsimo Atsinanana.

Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra mivoaka avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana hahafahany mifaninana amin’ny faritra hafa.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...