𝗙andaharan’asa « Clim Invest »

𝗜𝗳𝗮𝗿𝗶𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗮𝗻𝗸𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗮𝗳𝗶-𝗽𝗮𝗻𝗷𝗮𝗸𝗮𝗻𝗮, 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗩𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼𝗻𝗮 𝗘𝗼𝗿𝗼𝗽𝗲𝗮𝗻𝗮, 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮

Notanterahana tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona 2024 ity teo amin’ny mpikambana ao anatin’ny Komity mpitantana (COPIL) ny Fandaharanasa “CLIM INVEST”. Nahitana ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina toy ny SIM, GEM, GEFP, FIVMPAMA, FCCIM, Antenimieran’ny harena ankibon’ny tany, EFOI sy ny Tranoben’ny Tantsaha ary ny rafi-panjakana toy ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC), ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asatanana, ny Foibem-pitondrana ankapobeny momba ny Hetra, ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny Fadintseranana ary ny EDBM.
Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Vondrona Eoropeana sy Madagasikara ny fanatanterahana ity fandaharanasa manohana ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto amintsika ity. Miompana manokana eo amin’ny fampandrosoana maharitra sy mahomby amin’ny alalan’ny fampananan’asa ara-dalàna ary fisian’ny vokatra ara-tsosialy eto amin’ny firenena malagasy ny hetsika rehetra efa natao sy ny mbola ho avy.
Isan’ny teboka nojerena ny fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana toy ny fanohanan’ny fandaharanasa ny fanatanterahana ny andraikitra ara-piaraha-monina (RSE); ny fanapariahana ny fomba fanao matihanina manara-dalàna; ny fanatanterahana ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP) izay isan’ny fanatanterahana ny fifanarahana ara-indostria ary ny fanentanana ireo orinasa tsy miankina hanaraka ny ara-dalàna hatrany.
Nohamafisin’ny Sekretera jeneralin’ny MIC, Vahinisoa RASAMOELY, ny fandraisana anjaran’ny minisitera amin’ny maha-mpiahy ny sehatra tsy miankina azy eo amin’ny fanohanana ny fanatsarana ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana eto Madagasikara. Ho tena afaka mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sehatra tsy miankina ary manara-dalàna hatrany. Ny rafi-panjakana dia manohana hatrany ny hetsika rehetra hitandrovana izay fanatsarana izay, hoy izy.

Vous aimerez aussi...