07 Jona 2023, andro iraisam-pirenena ho an’ny fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo (JISSA): antoky ny fahasalamana ary vonjy aina ny fisian’ny fenitra ara-tsakafo

Niompana tanteraka tamin’ny fanentanana miendrika fanabeazana sy fampahafantarana ho an’ny mponina ny fanamarihana ny JISSA andiany faha-6 omaly. Hetsika teo ambany fiahiana ara-teknikan’ny MICC sy ara-bolan’ny FAO. Isan’ny fizarana natao nandritra izany ny fanamafisana ireo karazana fenitra ara-tsakafo hita sy manan-kery eto Madagasikara toy ny fenitra momba ny lafarina ho an’ny zaza, ny savony, ny tantely.

Mbola nanamafy ny maha-zava-dehibe ny hiheverana ity fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo ity hatrany ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Onja Miandry Rakotondramanana nandritra ny lahatenim-panokafana nataony. Singa maro sy mpisehatra maro no tsy maintsy miara-miasa sy miara-mientana mandritra ny zotram-panatanterahana hametrahana izany fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo izany: manomboka any amin’ny fambolena ny vokatra, ny fanodinana ny vokatra, ny famarotana ny vokatra hatrany amin’ny fanjifan’ny mponina ny vokatra. Ao anatin’ireny singa ireny ny fenitra ara-tsakafo izay tena antoka fanomezan-toky sy fisian’ny mangarahara eo amin’ireo mpanjifa amin’ny sakafo hohanin’izy ireo.

Ny fanjifana sakafo ara-pahasalamana dia mitondra tombontsoa na eo amin’ny mponina na eo amin’ny toekaren’ny firenena : salama sy tomady ny mponina ary miakatra sy marin-toerana ny fanondranana ny vokatra ara-tsakafo satria azo antoka tsara.

Vous aimerez aussi...