Fiomanana amin’ny taom-piotazana:Etsehana ny mpisehatra rehetra handrindrana ny fikirakirana ny lavanila any amin’ny Faritra SAVA

Fidinana ifotony eny amin’ny kaomina ambanivohitra, fanentanana sy fampahafantarana ny lalàna mifehy ny seha-pihariana lavanila sy ireo fepetra tokony arahina. Nanatanteraka izany ny ekipa nahitana solontena avy amin’ny Minisitera misahana ny Varotra, ny avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena, avy amin’ny prefektiora, ny zandarimariam-pirenena ary ny avy amin’ny polisim-pirenena.
Nisy ihany koa ny fivoriana niarahana tamin’ireo ben’ny tanana any an-toerana. Natao izany rehetra izany mba ho fampanajana ny lalàna misy sy ny daty isokafan’ny tsenan-davanila. Tsy adino ny fanentanana ny mpividy sy mpivarotra hanarahana ny vidin’ny lavanila napetraky ny fitondram-panjakana.
DRICC SAVA

Vous aimerez aussi...