Famokarana siramamy:Niravona ny disadisa ka hiverina hamonjy ny asany ny mpiasan’ny COMPLANT Namakia
Natao tao Garatelo Namakia androany Zoma 02 Septambra 2022 nanomboka tamin’ny 6ora maraina ny fomban-drazana araka ny tsitsika natao. Rehefa vita izany dia hiverina hamonjy ny asany ny mpiasa satria voavaha ny fototry ny olana ary niezahana ny marimaritra iraisana.
Roa andro no nikatsahana vahaolana noho ny fitokonan’ny mpiasan’ny COMPLANT any Namakia. Nidina tany an-toerana mihitsy ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI) sy ny Tale misahana ny Raharaha momba ny lalàna (DAJ) eto amin’ny MICC sy ny Talem-paritra (DRICC) Boeny. Ny fandraisanan’andraikitra rehetra dia niarahana tamin’Andriamatoa Goverinoran’ny faritra Boeny sy ny solombavambahoaka voafidy tao Mitsinjo.
Tapaka nandritra ny fampihavanana ny mpitantana ny orinasa sy ny mpiasa fa haloa ireo karama tsy noraisina hatramin’ny volana Mey ka indroa miantoana no hanefana izany. Tsy misy arakaraka ny momba ireo mpiasa izay nanatanteraka fitokonana.
Sary DRICC