Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Analanjirofo, Bongolava sy Vakinankaratra

👉 ANALANJIROFO: Nitarika fivoriana tany Soanierana Ivongo sy Vavatenina ny DRICC ny Alatsinainy sy Talata teo ho fiomanana amin’ny fidirana amin’ny taom-piotazana lavanila. Ireo mpandraharaha, mpamboly ary tompon’andraiki-panjakana no nitondrana fampahatsiahivana momba ny lalàna mifehy ny seha-pihariana lavanila sy ny vidy farany ambany 75.000Ar ny kilao ho an’ny lavanila maitso.
👉BONGOLAVA: Mizàna 28 sy vatomizàna am-polony no nogiazana fa tsy marina. Izany no vokatry ny fanaraha-maso ny fitaovam-pandanjana nataon’ny DRICC Bongolava tany amin’ny kaominin’i Fenoarivobe tamin’ity herinandro ity. Mizàna madinika 49 sy mizàna lehibe 16 Ary vatomizàna 171 no nohamarinina. Niara-dia tamin’ny mpanara-maso nandritra ny hetsika ny zandary avy amin’ny Kaompanian’i Fenoarivobe.
👉VAKINANKARATRA: Haharitra 15 andro ny hetsika fitsarana mizàna ao amin’ny distrikan’Antsirabe I. Natomboka tamin’ireo mpivaro-kena ao an-tsenan’Asabotsy tamin’ny Alatsinainy 13 Jona 2022 lasa teo.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...