Vaovaon’ny faritra Vakinankaratra Nitombo isa ireo mpivarotra nitondra ny fitaovam-pandanjany ho tsaraina

Raha ampitahaina amin’ny tamin’ny volana febroary 2022 dia nitombo isa ireo mpivarotra nitondra ny fitaovam-pandanjana ampiasany eny an-tsena ho tsaraina. 42 isa ireo fitaovana voatsara nandritra ity volana ity raha toa ka 12 izany tamin’ny volana febroary lasa teo. Ny 25 ao anatin’ireo fitaovana ireo no hita fa tsy manaraka ny fenitra takiana ka nentina avy hatrany namboarina teny anivon’ny biraon’ny DRICC.

Vous aimerez aussi...