Fametrahana vato fototry ny ozinina mpanodina voankazo sy « epices » ao Antetezambato-Toamasina

1 oktobra 2022, Toamasina- Faritra Atsinanana.
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny velirano faha fito nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia ny fampiroboroboana ny sehatry indostria amin’ny alalan’ny tetikasa ODOF na distrika iray ozinina iray.
Nanombohan’ny Filoham-pirenena ny fitsidihana izay ataony ao Toamasina, Faritra Atsinanana, androany 01 oktobra 2022, ny fametrahana ny vato fototry ny ozinina vaovao mpanodina vokam-pambolena izay hatsangana ao Antetezambaro.
Tantsaha miisa 1400 ao anatin’ireo kooperativa dimy mandrafitra ny Réseau des Coopératives du Commerce Equitable na RCCE ao Atsinanana no hisitraka mivantana izao fotodrafitrasa izao izay nahazo famatsiam-bola avy amin’ny AFD sy ny Région Normandie. Ireo koperativa ireo moa dia samy efa manondrana vokatra mivantana any ivelany. Ka ity ozinina ity dia hatsangana indrindra ho fanatsaràna ny kalitao sy hampitomboana ny vokatra vokarin’izy ireo.
Araka izany, dia hametrahana milina arifomba isan-karazany, fanodinana sy famonosana ary fitehirizam-bokatra ity ozinina ity. Hanana laboratoara fitsirihana ihany koa, ka ny vokatra rehetra dia hampandalovina ao avokoa alohan’ny hanondranana azy any ivelany. Ny voankazo, ny « épices » ary ny lohamenaka no anisan’ny vokatra haodina ao.

Vous aimerez aussi...