“Women in business atsimo andrefana” andiany voalohany Atosika hiditra lalindalina kokoa amin’ny fandraharahana ny vehivavy

Nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy izay Ray mpiahy ny hetsika “Women in business” tany Toliara ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI) eto amin’ny MICC, Gaëtan Ramindo. Fampiofanana ireo mpandraharaha vehivavy mahakasika ny asa fandraharahana sy fanondranana entana mankany ivelany tao amin’ny trano fisakafoana “Etoile de mer” no tao amin’ny fandaharam-potoana ny Alakamisy 29 Septambra 2022. Nitohy tamin’ny fiaraha-midinika tamin’ireo manampahefana sy fitsidihana orinasa vitsivitsy tao Toliara izany ny ampitson’io. Nofaranana tamin’ny fambolena honko ny hetsika ny Asabotsy 01 Oktobra 2022.
Tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izao “Women in business” izao ny Fikambanan’ny Vehivavy mpandraharaha any Atsimo Andrefana niaraka tamin’ny Fivondronan’ny Vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara. Tonga nanotrona tany an-toerana ny Tale misahana ny Fiaraha-miasa sy Tetik’asa (DPP) eto anivon’ny MICC.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...