Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Ihorombe, Alaotra Mangoro sy Vakinankaratra.

Resy lahatra amin’ny fivondronana anaty kaoperativa sy ny tombontsoa azo aminy ny mpamboly sy mpiompy any amin’ny faritra
?IHOROMBE: Kaoperativa 3 no nisitraka fampiofanana avy amin’ny DRICC tao amin’ny kaominina ambonivohitra Ihosy ny Alatsinainy 03 Oktobra 2022. Manana mpikambana 794 avy ao Sakalalina ny kaoperativa BAIBOHA MADA izay misehatra amin’ny fambolena vary mainty, mangahazo, katsaka, baie rose, voanjo sy fiompiana trondro. Misahana ny fambolena baie rose ny kaoperativa TA.MI.FA (Tantsaha Mivondrona amin’ny Fampandrosoana) izay manana mpikambana 35 monina ao Andohan’Ilakaka. Ny fambolena vary sy fiompiana trondro kosa no misy ny kaoperativa MAHENIKY ahitana mpikambana 12 monina ao Sakalalina. Nampahafantarina azy ireo ny momba ny fampivoarana ireo seham-pihariana izay sahanin’izy ireo amin’ny alalàn’ny Tetik’asa Taniketsa Indostrialy ao anatin’ny Faritra Ihorombe.
?ALAOTRA MANGORO: Tafatsangana omaly Alarobia 05 Oktobra 2022 ny kaoperativa VONONA ANDROSO ao Maromaniry Anosiboribory, kaominina Morarano Chrome Amparafaravola. Mpikambana 50 misehatra amin’ny fambolem-bary sy legioma no ao anatiny. Nomena fiofanana mikasika ny fitantanana kaoperativa avy hatrany izy ireo.
?VAKINANKARATRA: Nofanina koa ny mpikambana ao amin’ny kaoperativa KOFIAVA izay misehatra amin’ny fiompiana sy asa tanana ao amin’ny fokontany Andranomandevy Antsirabe I omaly Alarobia 05 Oktobra 2022. Mamelona tokantrano 13 any amin’ny faritra Vakinankaratra ity kaoperativa ity.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...