Vaovao Songadina avy amin’ny faritra Bongolava, Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony

?BONGOLAVA: Nanapa-kevitra hiara-hanangana kaoperativa misehatra amin’ny fambolena, fiompiana, jono, asa tanana, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany indrindra fa ny fiompiana tantely, ho an’ireo mpikambana maherin’ny 1500 olona ao amin’ny Fikambanana FIMAR ao amin’ny Distrikan’i Fenoarivobe ny Filohany sy ny DRICC BONGOLAVA. Noraisin’ny DRICC ity mpitarika fikambanana ity ny 09 Novambra 2022 mba ahafahana manao ny fandaharam-potoana amin’ny fitetezana ny Distrikan’i Fenoarivobe. Izany dia ho fanatanterahina ny #Velirano 6: « Asa mendrika ho an’ny rehetra ».
?VAKINANKARATRA: Atrikasa natao ho fakan-kevitra tamin’ireo izay nasaina ny amin’ny fiantraikan’ny adin’i Iokraina sy Rosia amin’ny resaka famatsiam-bola no notontosaina tany Antsirabe ny Zoma 11 Novambra 2022. Tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izany ny PNUD. Nandray anjara tamin’ny Atrikasa ny DRICC Vakinankaratra niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaha roa.
?MATSIATRA AMBONY: Nidina ifotony teny amin’ireo mpandraharaha vitsivitsy ao Fianarantsoa, nitsirika ny momba ny fanambarana tahirin’entana izay angatahana amin’ny mpandraharaha ny mpanara-maso ny varotra eo anivon’ny DRICC tamin’ity herinandro ity. Nisy ny fanisana ireo vokatra eny amin’ny mpanangom-bokatra sy fijerena ny fanajana ny fepetra momba ny toerana fanatobiana entana.
SARY DRICC

Vous aimerez aussi...