Mialoha Ny Hanomezana Fahazoan-Dalana Ara-Panjakana, nidina ifotony tany amin’ny orinasa MORINGA WAVE any Ambilobe ny ekipan’ny DII

Mbola andalam-panorenana ny orinasa MORINGA WAVE any Ankazomahity Ambilobe ankehitriny. Tsy maintsy arahana anefa ny dingana mialohan’ny hanomezana azy ny fahazoan-dalana ara-panjakana avy amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC). Nisy ny fidinana ifotony izay nataon’ny ekipan’ny DII tany an-toerana. Ny tanjona amin’izany dia ny hanampiana ireny orinasa ireny amin’ny fampanarahan-dalàna ara-teknika sy ho fitandrovana ny tontolo manodidina ny orinasa.

Talohan’izao, tamin’ny volana Desambra 2022, dia orinasa TALIA eny Ankorondrano izay misehatra amin’ny fanamboarana “ serviette hygiénique, papier hygiénique, serviette de table, mouchoir” no notsirihina.

Sary DII

 

Vous aimerez aussi...