Federasionan’ny antenimieran’ny varotra sy indostria maneran-tany: voasolo tena ao anatin’ny vovonana lehibe ahitana Antenimiera miisa 1400 maneran-tany i Madagasikara

Voatendry ho isan’ny mpikambana vaovao ao anatin’ny Filan-kevitra jeneraly eo anivon’ny Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria maneran-tany (WCF) ny Filohan’ny Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM), Viviane Dewa. Zava-dehibe ho an’ny firenena Malagasy izany satria ny sehatra tsy miankina izay fanoitra voalohany amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy dia hanana ny anjara andraikiny ary hanamafy hatrany ny fahafahana hampivelatra ny ara-barotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Notsiandrian’ny Filoha mitantana ny WCF fa natao izao fahasamihafan’ny mpikambana izao hahitan’ny sehatra tsy miankina maneran-tany fahombiazana tanteraka eo amin’ny lafiny fandrosoana ara-toe-karena sy ara-barotra ary indrindra ara-tsosialy.

Sary FCCIM

Vous aimerez aussi...