Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony: ny karazam-bokatra mampiavaka ny distrika isanisany no aodina ao amin’ny Taninketsa Indostrialy

Mamokatra voanjo sy soja 500 000 taonina isan-taona ny faritra Atsimo Andrefana. Izany no antony nanolorana azy ny milina famokarana menaka, araka ny toromariky ny Filoham-pirenena ihany koa. Hapetraka any Ampanihy io milina afaka mitelina akora fototra 1200kg/ora io. “Tsy vitan’ny hoe mametraka milina fotsiny isika, fa manatanteraka famoronana asa na ho an’ny tanora na ho an’ny vehivavy na ho an’ny mponina”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy tany Toliara ny Sabotsy 19 Aogositra 2023.

Milina fanamboarana chips indray kosa ho an’i Toliara I satria mahavokatra vomanga sy mangahazo 200 000 taonina ny faritra Atsimo Andrefana. Mangahazo na vomanga 100kg/ora no ilaina hampihodinana ny orinasa.

Ho an’i Toliara II dia vary 400kg/ora no atelin’ilay indostria madinika hamokatra paty.

300-1000kg/ora kosa ny voamaina ilaina hamokarana lafarinina any Morombe.

Vous aimerez aussi...