Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI) : nahavita fianianana ireo mpikambana maharitra vaovao ao amin’ny CCI Antsirabe

Tamin’ny Alakamisy 07 Septambra 2023 lasa teo no napetraka tamin’ny toerany ireo mpikambana maharitra vaovao ao amin’ny CCI Antsirabe. Tao amin’ny efitrano malalaky ny CCI no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany sy nanaovan’izy ireo ny fianianany.
Nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy tany Antsirabe ny Tale misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP).
Hiatrika Fivoriam-be voalohany ireto mpikambana vaovao ireto amin’ny Zoma 15 Septambra 2023 izao.
Sary Nomena

Vous aimerez aussi...