Taom-piotazana 2023-2024

Letisia 15 104 palettes no voaondrana tao anatin’ny 10 andro.

Raha nanomboka ny 21 Novambra 2023 ny taom-piotazana letisia dia efa nanomboka nandefa an-tsambo ny vokatra nankany Eoropa sy Rosia ireo mpanondrana 30 nahazo fankatoavana.
Tao anatin’ny folo andro dia sambo 3 no efa lasa niala ny seranan-tsambon’i Toamasina ka nitondra letisia mitotaly 15.104 palettes izy ireo.
Ny sambo voalohany dia ny Baltic clipper ho any Eoropa miaraka amin’ny entana 5376 palettes. Ny CS Trust kosa no faharoa miaraka amin’ny palettes miisa 7828. Ho any Rosia ny sambo fahatelo dia ny Crown saphire nitondra palettes 1900.
Marihina fa vao manomboka ny taom-piotazana ary mbola hitohy ny fanondranana ny vokatra letisia.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...