Fiatrehana ny fety

Arahin’ny MICC maso akaiky ireo mpivarotra vatomamy, sokolà, indrindra ireo sakafo efa vita anaty fonosana
Efa ho herinandro vitsivitsy izao no tsy nitsaha-nidina teny amin’ny tsena samihafa eto Antananarivo ireo Mpanara-maso sy Kaomiseran’ny varotra sy ny fifaninanana avy amin’ny MICC. Amin’izao fotoana izao kosa dia mifantoka kokoa amin’ny fanaraha-maso ny entana toy ny vatomamy, sokolà ary ny sakafo anaty fonosana be mpanjifa amin’ny fety toy izao izy ireo.
Nahitana an’ireo mpanara-maso ireo ny teny Analakely, Andravoahangy, Anosibe tsena, Tsaralalàna, Isotry, Soamanatombo ary mbola hitohy amin’ny toeran-kafa izany.
Hatreto aloha dia tsy nisy ny entana lany daty tratra fa nanao fanentanana kosa ny mpanara-maso mba hijery akaiky ireny sakafo efa vita ireny ireo mpivarotra ka mba ho entana manara-penitra hatrany no atolotra ny mpanjifa.
Entanina foana koa ny mpanjifa na ny olom-pirenena tsirairay hilaza sy hampandre ny Minisitera raha mahita tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpivarotra eny anivon’ny tsena rehetra. Ahafahana mandray fepetra avy hatrany izany.

Vous aimerez aussi...