Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra SAVA, Analanjirofo sy Ihorombe

Tsy mandefitra amin’ireo fitaovam-pandanjana tsy manara-dalàna ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC)

  • SAVA: Nahatratra 58 ny mizana nogiazana, 167 ny vatomizana. Nalefa teny amin’ny mpanamboatra nahazo alalana manokana ho amin’izany ireo fitaovam-pandanjana mbola azo amboarina vao naverina tamin’ny tompony. Vokatra azo tamin’ny fitsirihana nataon’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) SAVA teny amin’ny tsenan’Ambodisatrana, Antaimby, ary Antanifotsy Sambava ny 06 Febroary 2024 izany. Nisy ihany koa ny fanentanana an’ireo mpivarotra mba tsy hampiasa fitaovana tsy voatsara sy tsy ara-dalàna.
  • ANALANJIROFO: Niverenana tampoka indray ny tao Bazary Kely Fenoarivo Atsinanana ny 02 Febroary 2024. Vao avy nanaovana fidinana moa tao amin’ity tsena ity ny 31 Janoary sy 01 Febroary 2024 lasa teo. Mbola nisy ihany ny mizana miisa 3 sy vato-mizana 11 nogiazana. Nisy koa ireo mpivarotra vaky nandositra vao nahita ireo mpanara-maso. Izany no natao dia mba hanatrarana an’ireo izay mbola minia mampiasa fitaovam-pandanjana tsy ara-dalàna izay mihevitra fa rehefa nandalo ny mpisafo dia tsy miverina intsony.
  • IHOROMBE: Nahitana mizana 14 sy vato-mizana miisa 8 efa simba tao an-antanànan’Ihosy omaly Talata 06 Febroary 2024 ka nandraisana fepetra fanagiazana avy hatrany. Sady manara-maso ny vidi’ny entana eny an-tsena moa ny ekipa mpanara-maso avy amin’ny DRIC Ihorombe no mijery ireo fitaovam-pandanjana tsy manara-dalàna ho fiarovana ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...