Maitso ahitra

Handefa vary any Antsiranana ny SPM hifehezana ny vidiny
Tombanana ho tonga any Antsiranana amin’ny faran’ny herinandro izao ny vary 54 taonina avy amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar). Ny Alatsinainy 19 Febroary 2024 kosa no hatao ny fanaparitahana azy eny amin’ny tsena manodidina.
Ho fanomanana ny fitsinjarana izany vary izany dia nisy ny fidinana teny an-tsena niarahan’ny mpiara-miasa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) DIANA sy ny avy ao amin’ny SPM nijerena ireo toeram-pivarotana sy fampahafantarana ny pitsopitsony rehetra momba ny fomba hamarotana ity vary ity.
Ny Orinasa SPM moa dia manafatra vary avy any ivelany sady mividy vary eto an-toerana amin’ny vidiny ara-drariny eny amin’ny mpamokatra. Amidiny amin’ny mpanjifa, amin’ny alalan’ireo mpaninjara miara-miasa aminy izany, hifehezana ny vidim-bary.

Vous aimerez aussi...