Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Menabe sy Amoron’i Mania

?MENABE: Nanazava ny anjara birikin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) Menabe manoloana ny fandraharahana sy ny politikan’ny fampiroborobohana ny indostria any Menabe ny Talem-paritra Rabibisoa Noêl Bienvenue. Nandritra ny dinik’asa nokarakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena niresahana manokana ny momba ny asa sy ny fandraharahana ho an’ny tanora any amin’ny Faritra Menabe notanterahana omaly Talata 27 Febroary 2024 tany Morondava no nanaovany izany. Fotoana nihainoana ihany koa ny hetahetan’ireo tanora sy nakana soso-kevitra amin’ny resaka asa sy fandraharahana sahaza ho azy ireo. Nitarika izany tany Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Mpanolotsaina manokan’ny Filoha.
?AMORON’I MANIA: Nitondra fanazavana mikasika ny Taninketsa Indostrialy sy ny lalan-tsaina hitondrana azy ary ny fomba atao ahafahana misitraka izany, omaly, ny Talem-paritra (DRIC) Amoron’i Mania, Randrianarijaona Amélie Yolande, tamin’ny fotoam-pamaranana ny fitsidihana nataon’ny Loholon’i Madagasikara Rakotondratsimba Raymond ireo kaominina any amin’ny distrikan’Ambositra. Ny tanjona tamin’ izao fidinana ifotony izao dia ny hitondran’ireo Ben’ny tànana ny zava-misy misy any amin’ny kaominina misy azy ka hanomezana fanazavana na vahaolana avy hatrany avy amin’ireo Sampandraharaham-paritra itsinjaram-pahefana (STD) voakasiky ny olana.

Source:DRIC

Vous aimerez aussi...