Fampiroboroboana ny fandraharahaha

impact-entrepreneuriat1

Mpianatra 570 voaentana momba ny kolontsaina mpandraharaha sy nampahafantarina ny mikasika ny Orinasa kaoperativa tao anatin’ny iray andro
Roa sosona ny fanentanana nataon’ny ekipan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny fandraharahana (DPE) teny anivon’ny sekoly ny Talata 9 Avrily 2024. Fifampizarana momba ny kolontsaina fandraharahana sy ny Orinasa kaoperativa no natao. Nisitraka izany ny mpianatra 450 (kilasy faharoa, voalohany ary famaranana) ao amin’ny Sekoly Maria Mpanampy etsy Soanierana Ambony sy mpianatra 120 (sampana BTP, haisary sy refy, taona voalohany sy fahatelo) ao amin’ny LTPGCM Mahamasina.
Liana amin’ny sehatry ny fandraharahana ireo tanora ireo na dia mbola mpianatra aza. Zava-baovao tamin’izy ireo koa ny fanazavana ny atao hoe Orinasa koperativa satria hatrizay dia noheveriny fa ireo fiara fitateram- bahoaka ihany no isian’ny kaoperativa.

Vous aimerez aussi...