Pole Stage Madagascar (PSM)

Mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony miisa 154 mianadahy indray no misitraka ny fiofanana arak’asa andiany fahafiton’ny fandaharan’asa PSM
Nosokafana afak’omaly Alatsinainy 08 Jolay 2024 tao amin’ny efitrano fivorian’ny MEF ANOSY ny fiofanana arak’asa andiany faha-7 anatin’ny fandaharan’asa Pôle Stage Madagascar (PSM). Fandaharan’asa iarahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroana ny indostria sy Varotra (MIC), ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) ary ny Minisiteran’ny Asa sy ny Fampananan’asa (FOP).
Tanora miisa 154 avy amin’ny anjerimanontolo miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no misitraka izany ho amin’ity andiany ity. Lalan-tsaina 5 no voizina madritra ny atrik’asa fampiofanana dia ny fitantanana ny ady amin’ny kolikoly sy ny endrika isehoany, ny hoe: fantaro ny tenanao, tadiavo ny lalanao mba hahitana asa, ny fitondran-tena mandritra ny fiofanana sy fampidirana ny lalàna momba ny asa, ny fampidiran-dresaka momba ny fitantanana ary farany ny mahakasika ny kolontsaina fandraharahana. Tanjona amin’ity atrikasa ity moa ny mba hanampiana ireo tanora mialohan’ny hidirany eny amin’ny orinasa hanaovana fizaran’asa.
Hifarana rahampitso ny fiofanana.

Vous aimerez aussi...