Lalana mifehy ny fitomboana sy ny fanararaotra ara-toekarena aty afrika (AGOA)

Naneho faharesen-dahatra amin’ny hanavaozana indray ny fahafaha-manondrana eo amin’ny tsenam-barotra AGOA ny kongresy amerikana.

Mahavelom-bolo ny dian’ny delegasiona malagasy tany Washington DC. Mazoto amin’ny fanohizana ny fanondranana mankany amin’ny tsenam-barotra amerikana ny kongresy amerikana. Ny hany andrasana dia ny fotoana hanavaozana ny Lalàna amerikana momba ny AGOA ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra amin’ity taona 2024 ity.
Nitondra ny tatitra sy ny torolalana nomen’ny kongresy amerikana nandritra ny fivoriam-be faha-21 tany Washigton DC ny delegasiona malagasy nisolo tena tany an-toerana omaly Alakamisy 8 Aogositra 2024 tetsy amin’ny Havana Ambohidahy. Miantefa amin’ireo mpikambana ao amin’ny komity AGOA ahitana ny sehatra tsy miankina, ny rafi-panjakana voakasika ary ny firaisa-monim-pirenena (société civile) ny hafatra. Isan’ny nasongadina tamin’izany ny mikasika ny fanatsarana takiana na eo amin’ny sehatra tsy miankina na ny rafi-panjakana na ny firaisa-monim-pirenena. Zava-dehibe ny fanamorana ireo dingana ara-panjakana momba ny fisitrahana ny tsenam-barotra amerikana, ny fanatanterahana ny fanavaozana haingana araka izay tratra ho amin’ity taona 2024 ity, ny fahamatoran’ny tsena AGOA sy ZLECAF, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa akaiky ary ny fivelaran’ny seha-pihariana ao anatin’ny tsena AGOA.
Nanamarika ny solontenan’ny Masoivoho amerikana nanatrika ny atrikasa, Paul Colombini, ny fahavononan’ireo mpisehatra malagasy amin’ny fanarahan’izy ireo akaiky ny fivoaran’ny AGOA toy izao.
Nilaza ny mpandray fitenenana fa tokony ho tohizana ny fanohanantsika eto Madagasikara ny AGOA. Manaporofo ny maha-zava-dehibe izany ny fanohanan’ny Tetikasa CIR (Cadre Intégré Renforcé).
« Ny MIC dia maneho hatrany ny fahavononana hisolo vava sy hisolo tena ny mpisehatra voakasiky ny AGOA momba ny fanohizana ny fandresen-dahatra eo anivon’ny kongresy amerikana ho fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara », hoy ny Tale jeneralin’ny Varotra, Isidore Razanakoto izay nitarika ny delegasiona tany Washington DC.

Vous aimerez aussi...