Fanaraha-maso ataon’ny #MICA mikasika ireo fepetra napetraka eo amin’ny fizarana ny Vary Tsinjo eny amin’ny tsena
Tontosa ny 29 Janoary ny fametrahana ny Vary Tsinjo eny amin’ny mpamongady, ny tsenakely eny amin’ny fokontany miisa 192, ny Tsena Mora eny amin’ny boriboritany faharoa, faha-efatra sy faha-enina ary ny mpaninjara ary hiarahan’ny minisitera miasa amin’ny governora,ny manam-pahefana eto Analamanga, ny Kaominina eto Antananarivo Renivohitra, ny fokontany, ny lehiben’ny tsena ary ny Tsena Mora. Ho an’ireo boriboritany hafa dia hitohy rahampitso 30 Janoary izany.
Ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asatanana dia manohy sy manamafy hatrany ny andraikiny mikasika ny:
Fanaraha-mason’ny fampiarana ireo fepetra ara-barotra rehetra izany vokatra izany eny an-tsena
Fanaraha-mason’ny fanapariahana sy ny fisian’ny vokatra eny an-tsena ho an’ny mpanjifa
Fanaraha-mason’ny lalan’ny fizarana ny vokatra sy ny fampiarana ny vidiny eny an-tsena