Fitandroana ny fahasalamana ara-tsakafo ho an’ny mpanjifa

Nentanina hitandro ny fahaiza-manao sy ny fenitra eo amin’ny fikirakirana sakafo ireo orinasa ODOF
Zava-dehibe ny fifehezan’ny orinasa ODOF (One District One Factory) sy ny orinasa hafa ihany koa ny fikirakirana ny entana (sakafo) vokariny ho tombotsoan’ny mpanjifa manoloana ny fahasalamana ara-tsakafo. Antony namorian’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ireo orinasa ODOF sy ireo orinasa mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antananarivo (CCIA) misehatra amin’ny fanodinana sakafo tetsy amin’ny efitrano fivorian’ny MEF Anosy androany Zoma 9 Aogositra 2024.
Tanjon’ity atrikasa ity ny fanentanana ireo orinasa ireo hikajiany tsara ny sakafo ho ara-pahasalamana. Misy, araka izany, ny fanohanana ataon’ny CCIA ny orinasa hahamatihanina azy. Voaresaka nandritra ny fihaonana koa ny fiarovana ny sakafo sy ny “Codex alimentarius” ary farany ny fenitra malagasy.
Ankoatr’izany dia nisy ihany koa fijoroana vavolombelona nataon’ireo mpisitraka ny Tetikasa ODOF amin’ny fahombiazan’izany tetik’asa izany. Nambaran’ny mpitantana ny orinasa ODOF PALO CHIPS avy any Betafo Antsirabe fa « raha toa ka tsy mandroso amin’ny alalan’ny Tetikasa ODOF i Madagasikara dia tsy handroso intsony ». Ho fanatsarana hatrany ny famokarana ara-indostria ataon’ny orinasa ODOF dia nanome toky ihany koa ny avy eo anivon’ny CCIA amin’ny fanohanana ara-teknika ho an’ny teknisiana sy mpitantana ny orinasa ODOF.
Niara-nientana tamin’ny fanatanterahana ny atrikasa ny Tetikasa ODOF sy ny “Codex alimentarius”, niaraka tamin’ny Tetikasa fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatr ara-bola (PAISF).

Vous aimerez aussi...