Tetik’asa manohana ny sehatra indostria sy ny varotra eto Madagasikara

bad
Manohana ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) eo amin’ny fampandrosoana ara-indostrialy sy ara-barotra ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD)
Miisa 4 ny tetik’asa eto anivon’ny MIC vatsian’ny BAD vola eo amin’ny fanatanterahana azy, ho an’ny fampiroboroboana ara-indostrialy sy ara-barotra eto Madagasikara. Isan’izany tetik’asa izany ny Tetik’asa fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola (PAISF), ny tetik’asa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (PTASO), ny Tetik’asa manohana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (PA ZLECAF) ary ny Tetik’asa fampandrosoana sy fanamorana ny varotra (PACFC). Mikendry ny fampandrosoan’ny toekarena eto Madagasikara sy ny fampandrosoan’ny seha-pihariana indostrialy sy ara-barotra avokoa ireo tetik’asa ireo ary efa samy eo amin’ny dingana fanatanterahana avokoa ny tetik’asa ankehitriny. Ho an’ny tetik’asa PAISF manokana dia manohana ny fanatanterahana ny fametrahana ny ODOF ankehitriny ny fampiroboroboana sahaniny. Raha vao tsy ela akory izay no tanteraka ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho amin’ny fametrahana ny vala indostrialy natokana ho an’ny fambolena (PAI) sy ny ivon-toerana natokana ho an’ny fandraharahana ara-pambolena (Guichet Unique Agricole) ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ho an’ny tetik’asa PTASO. Fitaovana iray hametrahan’ny firenena malagasy tondro zotra ilain’ny mpisehatra mahefa hanamorana ny fankatoavana tanteraka ny fifanarahana ZLECAF ny fisian’ny Tetik’asa PA ZLECAF. Hisy ny fanadihadiana ho tanterahana momba ny tombontsoa sy ny fanamby ary koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ireo mpisehatra mpiara-miombona antoka voakasiky ny ZLECAF. Ho tanterahana eny anivon’ny faritra izany fampahafantarana ny tsena ZLECAF izany. Teo ihany koa ny fanohanan’ny tetik’asa PA ZLECAF ny fandraisan’ny mpandraharaha vehivavy malagasy nandritran ny Hetsika ara-barotra COMFWB andiany faha-5 tamin’ny volana jona lasa teo.
Nampahafantarina nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Vondron’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) androany Zoma 30 aogositra 2024 tetsy Ankorondrano ireo tetik’asa ireo.

Vous aimerez aussi...