𝗩olavolan-dalana mikasika ny fizaka-manana ara-indostria

𝗡𝗮𝗻𝗲𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘃𝗼𝗻𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗶𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸’𝗮𝘀𝗮 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗻𝗱𝗿𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗷𝗲𝗼𝗴𝗿𝗮𝗳𝗶𝗸𝗮 (𝗜𝗻𝗱𝗶𝗰𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗴𝗲́𝗼𝗴𝗿𝗮𝗽𝗵𝗶𝗾𝘂𝗲) 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝘁𝗼𝗺𝗽𝗼𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝗸𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔

volavolan-dalana

 

Antsiranana no namaranan’ny ekipa IG MIC ny fitetezam-paritra natao hampahafantarana ny Volavolan-dalàna mikasika ny Fizakamanana Indostrialy izay hampidirana ny andininy momba ny Tetik’asa Fanondroana ara-jeografika (IG). Nandritra ny Atrik’asa notanterahana ny Zoma 13 Septambra 2024 ihany dia efa niray feo ireo mpandray anjara avy ao an-toerana fa manohana ity Tetik’asa IG ity. “Tena hitondra fampandrosoana ho an’ny Faritra ity Tetik’asa ity noho izy mijery manokana ny fiarovana ireo vokatra efa manana ny lazany sy ny kalitaony toy ny Vary manitra, ny Cacao de Sambirano, sy ireo vokatra maro hafa aty amin’ny Faritra”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny Faritra DIANA.
Nisaotra manokana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ireo mpandray anjara noho ny asa lehibe izay hijerena manokana ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ity Tetik’asa Fanondroana ara-jeografika ity.
Ny Tetik’asa Fanondrona ara-jeografika moa dia natao indrindra hiarovana ireo vokatra isam-paritra izay manana ny lazany manokana ary miavaka amin’ny kalitaony, vokatry ny fifandraisany tsy azo sarahina amin’ny faritra niaviany, miampy ny fahaiza-manaon’ireo mpamokatra azy ka mahatonga ny kalitaony ho tsara raha mitaha amin’ny vokatra hafa mitovy aminy avy any amin’ny faritra hafa.

Vous aimerez aussi...