Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra: Ampahafantarina an’ireo mpampiasa vola sy mpiara-miombon’antoka ny fandaharan’asam-pampandrosoana any amin’ny faritra

Andro sisa isaina ho an’ny Faritra Ihorombe hankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra. Hetsika ho tontosaina any Ihosy ny 01 ka hatramin’ny 03 Desambra 2022, hanehoana ireo drafitra fampandrosoana ny faritra.
Asongadina mandritra io fotoana io ny fampahafantarana an’ireo mpampiasa vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola ny fandaharan’asa fampandrosoana rehetra ao anatin’ny Faritra Ihorombe, mba ahafahana manatanteraka ireo Velirano izay napetraky ny Filoham-pirenena amin’ny fampandrosoana ny faritra .
Mandray anjara feno amin’ny fanomanana ny hetsika ireo sampan-draharaha ara-panjakana rehetra any an-toerana ka anisan’izany ny DRICC.
Ny Faritra Vakinankaratra moa dia vao avy nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra tamin’ny herinandro lasa iny tao Antsirabe. Teny filamatra ho azy ny hoe: Tosika ho amin’ny fanamafisana ny hafaingainam-pandehan’ny fampandrosoana, misokatra ny varavaran’ny Faritra Vakinankaratra.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...