Antananarivo sy ny manodidina

Mitohy tsy tapaka ny fanateran’ny SPM ny vary makalioka sy Riz de luxe eny amin’ireo mpivarotra mpaninjara.

Anisan’ny nisitraka ny vary avy amin’ny Orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) tamin’iny herinandro lasa teo iny ny teny Ambohimanambola, Tanjombato, Anosipatrana, Namontana, Ifarihy, Iavoloha, Isotry, Anjomakely, Alakamisy, Fenoarivo.
Amidin’ireo mpivarotra enta-madinika 800Ar/kapoaka ny vary vokatra eto an-toerana (Makalioka) avy amin’ny SPM raha 750Ar/kapoaka ny vary nafarana (Riz de luxe). Vary manodidina ny 25 taonina isan’andro eo no notsinjaraina tamin’izany.
Manara-maso akaiky ny fitsinjarana ny vary ny Minisiteran’ny Varotra (MICC) amin’ny alalan’ireo mpanara-maso ny varotra. Entanina, araka izany, ireo mpivarotra tsy ho alaim-panahy hanararaotra. Miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra ihany koa, indrindra fa isika mpanjifa, hahasahy hitoroka raha misy ny tsy fanarahan-dalàna.
Sary DCI

Vous aimerez aussi...