Drafitra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Nikarakara Atrik’asa hampanjariana ara-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ny FAO.

Maherin’ny 40% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara izay ahitana ny Faritra Amoron’i Mania, Fitovinany ary Faritra Atsimo Atsinanana. Antony nikarakaran’ny FAO Atrik’asa tao Fianarantsoa ny Zoma 24 Novambra 2023.
Tamin’izany no nitondran’ny FAO (Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena) fanazavana mahakasika ny fomba fisakafoana sy ny fomba fanatsarana ny famokarana sakafo. Ny Vovonana MIKASA izay mpikatroka amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo miara-miasa amin’ny FAO kosa no namelabelatra momba ny lasitra hametrahana ny rafitra ara-tsakafo maharitra. Misy singa 5 izany ka anisan’ireny ny rojom-pamatsiana ara-tsakafo sy ny toetry ny mpanjifa. Voaresaka tao ny fanodinana ny sakafo izay sahanin’ny Minisitera amin’ny alalan’ny Tetik’asa Taninketsa Indostrialy ankehitriny.
Nisy ny asa isam-baomiera izay nandraisan’ny mpivory rehetra anjara. Ny tanjona dia ny famokarana mamaly ny filàna ara-tsakafo mahasalamana ho an’ny mponina ka andraisan’ireo sokajy samihafa andraikitra hanatrarana izany.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...