Famatsiana eto antananarivo renivohitra: Mitohy tsy tapaka ny fitsinjarana sy fanaraha-maso ny PPN eny an-tsena

Vary Tsinjo 67 lasaka sy siramamy 4 lasaka no notsinjaraina teny amin’ny Boriboritany voalohany eto an-drenivohitra omaly Talata 21 Febroary 2023. Nanara-maso ny fizarana izany ny avy ami’ny DRICC Analamanga. Nentanina hatrany moa ireo mpivarotra mba tsy hanararaotra amin’ny vidin’ny entana indrindra amin’ny vanim-potoana fandalovan’ny rivodoza.

Hita teny Mahamasina ao amin’ny Boriborintany fahaefatra ihany koa fa nitobaka ny vary tsinjo sy ny siramamy Namakia. Nidina nanara-maso teny an-toerana koa ny ekipan’ny DPC tamin’io omaly io. Niarahana tamin’ny lehiben’ny tsena moa izany. Nomena ny lehiben’ny tsena ny vidin’entana (« différentiel des prix ») ahafahan’izy ireo manao ny fanaraha-maso isanandro ary napetraka ihany koa ny fiaraha-miasa raha sendra misy ny fandikan-dalàna.

Sary DRICC Analamanga sy DPC

Vous aimerez aussi...