Famatsiana Ny Mponina: Manara-maso sy miady amin’ny fanararaotana eo amin’ny vidin-javatra ny DRICC

Tany Maintirano Faritra Melaky dia nitsidika ny tahirim-bary akotry voatahiry ao amin’ireo fitotoam-bary any an-toerana ny DRICC. Hita nandritra izany fa mbola betsaka ny tahirim-bary ary ampy hiatrehana ny maitso ahitra. Hatreto dia mbola tazomina 750 Ar ny vary gasy iray kapoaka ary 650 ar ny iray kapoaka amin’ny vary nafarana. Ny 22 Desambra 2022 dia nisy koa fivoriana niantsoana ireo tompon’ny fitotoam-bary izay nametrahana ny fandaminana entina hanatsarana ny asa atao.

Ho an’ny any amin’ny Faritra Ihorombe dia hita taratra nandritra ny asa fanaraha-maso izay natao fa tsy nisy fiovany ny vidin’ny entana ary mbola marin-toerana tsara. Ny tahirin’entana hita eny amin’ireo mpivarotra ambogadiny sy ireo mpaninjara dia mbola betsaka raha miohatra amin’ny filàn’ny mponina any an-toerana . Amidy 650Ar ny iray kapoaka amin’ny vary nafarana raha 700Ar-750Ar ny vary gasy zanatany. 700Ar kosa ny kapoaka ny kapoaka amin’ny vary makalioka.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...