Fametrahana ny taninketsa indostrialy: nanaitra ny mpandraharaha ny Minisitra Edgard Razafindravahy hitondra ny traikefany

Nohararaotin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ny FIVMPAMA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) notarihin’ny filohany Rivo Rakotondrasanjy ny fihaonana nifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, hifanomezam-baovao sy hiresahana ny mahasoa ny firenena.

« Raha manana mpikambana any amin’ny faritra ny FIVMPAMA dia entanina izy ireo hamaly ny antso (Appel à projet) ho mpitantana ny ozinina mpanodina ny vokatra (unité de transformation). Hisy ny fifanarahana ho soniavin’ny telo tonta dia ny mpiompy tantely, ny Minisitera misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria ary ny mpandraharaha mamaly ny antso », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, androany Talata 17 Janoary 2023, raha naka ohatra ny fotoana hampahafantarana ny indostria madinika mpanodina tantely (miellerie) sy hanaovana antso ho an’ny mpandraharaha vonona hitantana izany any Ambositra amin’ny Zoma 20 Janoary 2023 izao. Maro mantsy ny kaoperativa misehatra amin’ny tantely any amin’ny faritra Amoron’i Mania ary tsapa fa mivondrona izy ireo.

Efa tonga eto an-drenivohitra tokoa ireo fitaovana hametrahana Taninketsa Indostrialy 75 any amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara. Ozinina tsy mila angovo be loatra, mora ampiasaina, hanampy amin’ny fanodinana ny vokatra tantely, menaka avy amin’ny zava-maniry, kafe, voankazo, fanodinana ny voasary makirana, voatabia sy zavatra hafa koa.

Manakara, Manjakandriana, Anjozorobe sy ny faritra hafa maro dia samy hisitraka amin’ireo fitaovana fanodinana ny vokatra ho entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo.

Vous aimerez aussi...