Fampandrosoan-draharaha isam-paritra:Nanamafy traikefa ireo PRMP avy amin’ny DRICC manerana an’i Madagasikara.

Laharam-pahamehana eto amin’ny MICC tarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny hitovian’ny mpiara-miasa rehetra eo amin’ny fampandehanan-draharaha. Hahatratrarana izany indrindra no antony nanatontosana ny fampiofanana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo PRMP (Tompon’andraikitry ny tsenam-baro-panjakana) miisa 20 tonga teto Antananarivo. Teny amin’ny tranon’ny MICC Anosy no nanitaran’izy ireo ny fahaiza-manaony nanomboka ny 23 mey 2022 hatramin’ny androany 27 mey 2022. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny ARMP (Manamahefa mpandrindra ny tsenam-baro-panjakana).
Nandritra ny fifanakalozana nampitain-davitra niarahan’izy ireo tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany no nanamafisan’ny Minisitra ny maha-zava-dehibe ny asan’izy ireo eo amin’ny fampandrosoana isam-paritra, anatin’ny mangarahara tanteraka.

Vous aimerez aussi...