Fampiroboroboana ny asa fandraharahana any amin’ny faritra atsinanana: mpandraharaha vao misandratra miisa 50 no hisitraka fanohanana avy amin’ny tetikasa vatsian’ny orinasa Ambatovy sy ny vondrona tsy miankina Saint Gabriel

Tontosa omaly 30 marsa 2023 ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa « Fandaharanasa fanohanana ireo mpandraharaha vao misandratra ao Toamasina ». Hisitraka izany tetikasa izany ny mpandraharaha missa 50 ao anatin’izany ny kaoperativa. Tanjona voalohany apetraka ny fametrahana fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny faritra ka handraisan’ny tetikasa anjara.

Ho an’ny Minisitera izay nosolon’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria any amin’ny faritra Atsinanana tena dia mifanaraka tanteraka amin’ny lalan-tsaina voaiziny ity tetikasa ity. Fanoitra misehatra ao anatin’ny fampandrosoana ny faritra ny fitrandrahana sy fanodinana ny vokatra ifotony ary isan’ny mpisehatra voalohany ao anatin’izany ny kaoperativa.

Sary DRICC

 

 

Vous aimerez aussi...