FAMPIROBOROBOANA SY FANOHANANA NY SEHATRA TSY MIANKINA ARY FANOMEZAN-DANJA IREO VEHIVAVY SY TANORA

Mitohy hatrany ny asa entina manohana ara-teknika sy ara-pitaovana ireo orinasa madinika sy salantsalany ho fampandrosoana ny indostria isam-paritra tanterahan’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny MICA sy ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar) ho amin’ny fampivoarana ny indostria malagasy ka voakasika amin’izany ny fandaharanasa Indostria Manakaiky Distrika (ODOF) sy ny Malagasy Ny Antsika izay mifandray tanteraka amin’ny fanatanterahana ny fanamby lehibe napetraky ny fitondram-panjakana ao anatin’ny Velirano 6 sy 7. Araka izany dia tontosa anio ny fanolorana milina fanodinana vokatra ho fanatsarana ny kalitao sy ny fenitra takian’ny tsena ary koa fampitomboina ny vokatra ka hiteraka asa ho an’ny mpiara-belona sy fampandrosoana ny distrika Soavinandriana. Ny orinasa VOA TSARA tarihina vehivavy mpandraharaha izay misehatra amin’ny fanangonana sy fanodinam-bokatra ifotony any amin’ny distrika Soavinandriana Faritra Itasy ary miara-miasa akaiky amin’ireo mpamboly sy mpamokatra any an-toerana no nisitraka izany fanolorana izany. Nandritra izany fanolorana izany dia nanamafy ny Filohan’ny SIM Atoa Hassim Amiraly, fa vonona hatrany ny SIM hanohana sy hizara traikefa ho an’ ireo tanora sy mpandraharaha ho fampandrosoana ny tontolon’ny indostria malagasy.
Raha tsiahivina, ny fandaharanasa ODOF dia mikendry indrindra ny fampandrosoana entin’ny orinasa madinika sy salantsalany sy fanandratana ny fanodinana ny vokatra eny ifotony ahafahana manena ireo vokatra hafarana eo amin’ny entana ilain’ny mponina andavanandro ary koa hitondra sanda hary ho an’ny faritra tsirairay.
Marihana fa ankehitriny dia maro ireo indostria madinika sy salantsalany ary vaventy efa tafapetraka miparitaka any amin’ny distrika eny anivon’ny faritra toy Boeny, Ihosy, Ihorombe, Manakara, Mananjary ary Itasy. Ny minisitera dia miezaka hatrany hametraka indostria manerana ireo 119 distrika hatramin’ny faran’ity taona ity.

Vous aimerez aussi...