Fanatsarana ny fandraharahana sy ny varotra ivelany: nanamafy traikefa sy fahaiza-manao ireo Filoha sy Tale jeneraly eo anivon’ireo Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) miisa 23 manerana ny Nosy miaraka amin’ireo mpikambana eo anivon’ny Federasionan’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM)

Niompana tamin’ny fampanaraham-penitra, ny fanomezam-panamarinana, ny fanomezana famantarana manokana ny vokatra (labélisation) sy ny dingana ara-kalitao ho an’ny fanondranana vokatra mankany ivelany, ny Atrikasa fanamafisana traikefa sy fahaiza-manao ho azy ireo. Nandritra ny roa andro, ny 12 sy 13 Aprily 2023) no nanatanterahana izany tetsy Antaninarenina. Namatsy vola ny tetikasa CIR (Cadre Intégré Renforcé).

Nanamafy ny Filohan’ny FCCIM, Viviane DEWA, fa ny CCI no fanoitra mampiroborobo ny fandraharahana sy ny varotra ivelany satria any no mivantana ireo mpandraharaha rehefa hanondrana ny vokatr’izy ireo. Zava-dehibe ho an’ny CCI rehetra manerana ny Nosy ny fahalalàna bebe kokoa ireo rafitra isan-karazany manaraka ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fandrosoan’izao tontolo izao.

Maro ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka amin’ny FCCIM hampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana sy hampitovy hatrany ny fahaiza-manao eny anivon’ireny CCI ireny, hoy hatrany ny Filohan’ny FCCIM. Ary miezaka mijery izay hahasoa hampandrosoana sy hampavitrika ireo CCI manerana ny Nosy ireo araka ny toromarika izay nomen’ny Minisitra Edgard Razafindravahy.

Vous aimerez aussi...