Fanavaozana ny tontolon’ny kaoperativa: nolanian’ireo Loholon’i Madagasikara tsy nasiam-panitsiana ny Volavolan-dalàna hifehy ny Orinasa kaoperativa

Lany teny amin’ny Antenimiera roa tonta mpanao lalàna izany izao ny Volavolan-dalàna momba ny Orinasa kaoperativa. Dingana manaraka ny famoahana ny Didy fampiharana ahafahana misitraka ireo tombontsoa entin’izao fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny kaoperativa izao.

Nandritra ny fivoriana itambaram-be tetsy amin’ny Lapan’Anosikely androany Alakamisy 29 Jona 2023 no nandanian’ireo Loholon’i Madagasikara ny volavolan-drijantenin-dalàna hifehy ny Orinasa kaoperativa raha efa nahavita izany ny Antenimieram-pirenena.

Hitondra fampandrosoana eny ifotony ity Lalàna ity, araka ny lahateny fanolorana nataon’ny Minisitra Edgard Razafindravahy teny Anosikely androany. “Raha miresaka kaoperativa dia miresaka fihariana isika, miresaka ihany koa fiveloman’ny mponina eny ifotony”, hoy izy nanoloana ireo Loholon’i Madagasikara. Ny toerana rehetra naleha manerana an’i Madagasikara dia niandry fatratra an’ity Lalàna mifanandrify amin’ny vondrom-bahoaka eny ifotony sy ny olona eny ifotony ary ny fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ity.

Ankoatra ny fandaminana ny rojom-pihariana eny ifotony dia miantoka ny fahafahan’ireo Orinasa kaoperativa manondrana vokatra any ivelany koa ity Volavolan-dalàna misy Lohateny 9 sy Andininy 240 ity. Ireo kaoperativa rehetra miisa any amin’ny 3500 any ho any ankehitriny manerana an’i Madagasikara dia hivadika ho Orinasa kaoperativa ka ho afaka manondrana mivantana ny vokany any ivelany ireo misehatra amin’ny famokarana.

Vous aimerez aussi...