Fitobahan’ny entana avy any ivelany:Hahazo fiarovana amin’ny ANMCC ny Taninketsa Indostrialy

Ny fiarovana ny indostria madinika sy salantsalany no ho laharam-pahamehan’ny ANMCC na ny Manamahefa-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra amin’ny ho avy. Nandritra ny fanokafana ny fahadimy taonan’ny ANMCC no nanambaran’ny Tale jeneraliny, Andriamatoa Barthélémy, izany androany Alarobia 18 Mey 2022 maraina tetsy amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina. Fotoana koa nampahafantarany ny bainga voavadik’ity rafitra ity tao anatin’ny dimy taona. Nanao fanadihadiana miisa folo, nandray fepetra fiarovana telo dia ny momba ny paty, savony ary ny bodofotsy ny ANMCC. Ny fampiharana ireo fepetra fiarovana ireo dia nahazoana vokatra 24miliara Ariary.
“Tokony ho tohanana, ampiana ary indrindra arovana ireo toeram-panodinana miisa 75 izay hapetraka amin’ny alalan’ny Taninketsa Indostrialy”, hoy kosa ny Sekretera jeneralin’ny MICC, Rakotondramanana Onja Miandry. Tanjona ny fampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany ary hampitomboana ny vokatra eto an-toerana mba hahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Anatin’ny fandaharam-potoana androany tontolo andro ny foara fampirantiana eo amin’ny zaridainan’Antaninarenina sy ny famelabelaran-kevitra ao amin’ny CCIA Antaninarenina ihany.

Vous aimerez aussi...