Fisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso:Ambohipihaon’ny mpisehatra ny tsena arahi-maso any Ambanja
Nosantarina tao Ambanja ny fisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso tamin’ny Alatsinainy 16 Mey 2022 lasa teo. Napetraka ao Ambolikapily, kaominina Ambalahonko, any amin’ny distrikan’Ambanja ny tsenan-davanila arahi-maso na marché contrôlé.
Fepetra samihafa no tsy maintsy hajaina toy ny fananan’ireo mpividy isan-tsokajiny karatra ahafahany manao ny asany. Tsy maintsy efa nandalo fitsarana ireo fitaovam-pandanjana rehetra ampiasaina ao an-tsena.
“Voatazona ny vidy farany ambany amin’ny kilaon’ny lavanila maitso ho 75000Ar”, hoy ny Talem-paritra DRICC DIANA. Ho an’ity faritra ity dia hitohy any amin’ny Nosy Komba rahampitso ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana.
Sary DRICC