Fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria: miroso amin’ny fandrafetana ny tondro zotra amin’ny fifanarahana ara-indostrialy ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina

Roa andro, ny 27 sy 29 Jona 2023, no atokana ho amin’ny fandrafetana ny fifanarahana ara-indostrialy. Raisina avokoa ireo sehatra fototra sy mamaly ny filàn’ny mponina ary ny toekarena malagasy toy ny fandraharahana momba ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena ankibon’ny tany, ny momba ny loha-menaka ary ny angovo azo havaozina. Nanomboka androany, etsy amin’ny Novotel Alarobia, ny fanaovana ny dinik’asa isaky ny vondrona araka ireo sehatra fototra. Voasolo tena amin’izany ireo mpisehatra rehetra na tsy miankina na ny avy amin’ny rafi-panjakana.

Nojerena tamin’ity andro voalohany ity ireo lafin-javatra lehibe tokony hita ao anatin’ny fifanarahana ara-indostrialy ahitana ireo fandraisan’andraikitry ny roa tonta (sehatra tsy miankina sy rafi-panjakana).

Araka ny nambaran’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny “Journées de programmation industrielle” ny 24-26 Mey 2023 lasa teo dia tsy maintsy vitaina amin’ity faran’ny volana Jona ity ny fifanarahana ara-indostrialy ho tombontsoan’ny toekarena Malagasy sy ho fampandrosoana ny indostria eto an-toerana.

Mifanome tanana sy miara-miasa amin’izao dingana izao ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) sy ny MICC (Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana) izay Filohan’ny komity mpitarika eo amin’ny fanatanterahana ny dinika iarahan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (DPP).

Vous aimerez aussi...