Andravoahangy: Tafita any amin’ireo mpamongady ny fotokevitry ny famerana ny vidin’entana.

Tafapetraka eny amin’ireo mpamongady niatrika ny ekipan’ny DPC sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny fotokevitry ny fifaninanana ara-barotra manaraka ny famerana ny vidin’entana ambony indrindra sy ny tombony azon’ny mpivarotra alaina. “Nametraka ny famerana ny vidin’entana izahay fa tsy nanenjika ilay vidiny ambony indrindra akory, misy menaka soja amidinay amin’ny vidiny 111.600Ar ny baoritra ary vary stock 105.000Ar ny iray gony (raha 107.500Ar ny vidiny ambony indrindra napetraky ny Fanjakana)” hoy ity mpamongady iray tetsy Andravoahangy raha nanotaniana momba ny fanajana ny fitsipika.
Miezaka hatrany ny MICC manentana ireo mpandraharaha ara-barotra rehetra amin’ny fampiharana ny lalàn’ny fifaninanana madio.

Vous aimerez aussi...