Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo

Nanomboka ny taona 2018 no nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo isika eto Madagasikara. Isaky ny 07 jona araka izany ny fankalazana izay tarihin’ny Komity Nasionaly misahana ny CODEX Alimentarius na ny CNCA izany. Misy isan-taona ny lohahevitra anompanana ny fanentanana maro samihafa manodidina ny fankalazana. Ho amin’ity taona 2022 ity dia nosafidiana ny hoe « Sakafo azo antoka mahatsara fahasalamana ».
Ny fanamarihana ny 07 jona izay hosokafana amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny Lapan’ny Tànana Analakely hiarahana amin’ireo minisitera voakasika toy ny MICC (Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana), MINAE (Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana), MINSAP (Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka) sy ny MINPEB (Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga) ary ireo rafitra iraisam-pirenena toy ny FAO sy ny OMS. Hisy ihany koa ny fanokanana ny toerana « Green City Initiative » izay natao hivarotana ireo vokatry ny tany biolojika sy famelabelaran-kevitra hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka mikasika ny fiantohana ara-tsakafo.

Vous aimerez aussi...