Fandraharahana: tafatsangana ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA)

Noraisin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy nihaona taminy tetsy Ambohidahy androany Talata 6 Jona 2023 ny avy amin’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA), notarihin’ny Filohany Sylvia Mamiarivelo. Tafatsangana tamin’ity taona 2023 izy io ary hiseho amin’ny fomba ofisialy ny 9 Jona izao. Ahitana mpandraharaha mpikambana 40 eo ho eo ny CCISMA ary mbola manentana ny hafa hiditra. Maro ny sehatr’asa azo iarahana amin’i Israely izay efa lasa lavitra amin’ny lafiny maro toy ny rano, angovo azo avaozina, fandraharahana mifototra amin’ny fambolena, teknolojia maro isan-karazany.

Anjaran’ny Antenimieran’ny Varotra hoy ny Ministra misahana ny varotra, ny mijery lalam-barotra any ivelany ho an’ny vokatra malagasy. Nentaniny ireto CCISMA ireto mba hitsidika ny Antenimieran’ny Varotra manerana ny Nosy, hijery ny mpandraharaha any ifotony. «Mila ampahafantarina ny fisian’ny CCISMA, ary omena fanantenana ny Antenimieran’ny Varotra malagasy fa misy fiaraha-miasa azo atao ary misy tsena azo trandrahana any Israely. Tiako hiova ny fiaraha-miasa, hoy ihany ny Ministra Edgard Razafindravahy, ka fiaraha-miasa mivantana amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny mpandraharaha eny ifotony no atao». Asa mivaingana no tadiavina, ilaina ny mpandraharaha tonga mampiasa vola eto Madagasikara.

 

Afaka mampiasa vola amin’ny alalan’ny ODOF ny mpandraharaha israeliana. Ankoatry ny ODOF koa anefa dia azon’ny mpandraharaha lehibe avy any ivelany atao ny manangana Vala Indostrialy (Parc Industriel). Ny Lalàna momba ny fampiasambola rahateo vao lany teny amin’ny Parlemanta tsy ela. Lalàna mitondra antoka tsara ho an’ny mpampiasa vola izany. Anatin’izany ny hoe mitovy lenta izy rehetra eo anatrehan’ny fandoavan-ketra.

“Asa lehibe tokony iantsorohanareo mpikambana ao amin’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara koa ny fisintonana ny mpampiasa vola israeliana ho tonga hampiasa ny volany eto Madagasikara. Tokony imasoan’ny rehetra izany satria tsapa fa vitsy no tonga hatreto”, hoy ny Ministra namarana ny fihaonana.

Vous aimerez aussi...